<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>631</hymn_number>
<title>Ry Jesosy Tompo tsara FFPM631</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jesosy Tompo tsara,
 Ry Mpamonjy ô !
 Sambatra aho, manan-jara,
 Manana Anao ;
 Fa na maro ny mpandrafy
 Ta-hamely ahy mafy
 Hianao mahay manafy
 Hery ny Anao.

[V2]
 Be ny manodidina ahy
 Efa lasana ;
 Manakaiky, mampanahy,
 Re ny fasana ;
 Nefa, ry Mpamonjy soa,
 Tena sitrakao tokoa
 Ny hitantana ahy koa
 Ao an-dalana.

[V3]
 Eny, izaho manantena,
 Ry Mpamonjy ô !
 Fa hahazo famonjena
 Any Aminao,
 Raha ilaozako ny tany,
 Izaho tsy mba hitomany,
 Fa hiakatra hankany
 Anatrehanao.</lyrics>
</song>